12
Faly sy ravo izahay mampandré anareo Fianakaviana Trinitera fa ny Kardinaly sy Eveka mandray anjara amin’ny Congrégation des Causes des Saints dia nivory tamin’ny 15 Mey lasa teo handinika sy hanapa-kevitra momba ny maha-martiry an’ireo Trinitera novonoin’y mpanenjiky ny Eglizy tamin’ny taona 1936, tany Alcázar de San Juan (Espaina), ka izy rehetra tsy misy banga dia nanaiky fa tena martiry nahafohy ny ainy nohon’ny finoana tokoa izy ireo. Amin’izany dia misokatra ho azy ny làlana mitondra mankeny amin’ny fanananganana ho olo-tsambatra izy ireo.
Ny Mompera 5 lahy dia maty voatifotra basy tamin’ny alin’ny faha-26 jolay 1936. Monfrera Esteban kosa dia narary mafy, ka tsy novonoina avy hatrany, fa voatana tao an-trano figadrana izy, mandra-pahasitrana. Rahefa sitrana kosa nalaina indray, natao fitsarana sandoka izy ary voaheloka ho faty. Tao amin’ny étage ambony no nanaovana ny fitsarana, ary vao voaheloka izy dia indro olona matanjaka anankiroa naka azy an-kery nitondra azy amoron’ny varavarnkely ary nandrotsaka azy any an-dàlana ny loha ambany. Maty tao an-dàlana izy tamin’ny faha-12 setambra 1936. Ny fatiny tsy hita hatramin’zao. Notadiavina ela tamin’ny toerana samihafa, nefa tsy hita. Ny fatin’ny Mompera dimilahy kosa hita hiany tao anatin’ilay lavaka be natao andevenana ny fatin’olona maro novonoina tamin’iny alina iny. Tao nisy koa Mompera fransiskana fito lahy izay novonoina niaraka tamin’ny trinitera. Taty aoriana moa dia nosokafana ilay fasambe ka natao ny famadiana: ny fransikana dia nitondra ny azy ka nalevina tao amin’ny fiangonany; torak’izany koa nanao ny trinitera nanome toerana mihaja amin’ny azy tao amin’ny fiangonantsika ao Alcázar de San Juan.
Ireto avy ny anaran’izy ireo enin-dahy: P. Hermenegildo de la Asunción, P. Buenaventura de Santa Catalina, P. Francisco de San Lorenzo, P. Plácido de Jesús, P. Antonio de Jesús y María,
Fr. Esteban de San José.
I Mompera Hermenegildo mbola vaovao tao Alcázar, satria volana vitsivitsy taloha no tonga teo satria voafidy ho soperieran’io kaominaote io. Nivonto be dia be tamin’zany ny fandrahonana sy ny fanenjehan’nataon’ny kaominista tamin’ny Eglizy, ka natahotra dia natahotra daholo ny kristianina rehetra sao dia hipoaka ka hisy ran’olona betsaka miraraka
amin’ny tany. Izany angaha no nahatonga ny teny notononin’i Mompera Hermenegildo rahefa tonga tao Alcázar ka nahita an’ireo Mompera tany an-toerana: “Tsy tonga ho soperiera eto aho tsy akory, hoy izy, satria tonga ho atao sorona ny tenako”. Dia tanteraka izany tokoa tamin’ny volana jolay.
Ny kaominaote trinitera tany Alcázar nanana taloha, ary mbola manana ankehitriny, kolejy lehibe sady malaza nankatoaviny fatratra ny vahoaka; maro tokoa ny olona nianatra tao nanjary mpitondra ny raharaham-panjakana tamin’izany. Ny sasany amin’ireo nitady haharo any Mompera, nefa sarotra be ho azy ny miseho ho mpiaro ny voaenjika. Ohatra ny Ben’ny tanana, sakaizan’i Mompera Plácido, nilaza taminy hoe: “Avia hipetraka any amiko, dia ho afa-doza ianao”. Mompera nefa dia namaly hoe: “Ho any aminao aho raha miara-mandeha amiko koa ireo Mompera namako, satria tsy te-hisaraka aminy aho”. “Be loatra izany, ka tsy zakako daholo”, hoy ny Ben’ny tanana… Tao anatrehan’ny loza mihatra dia tena nifampitantana sy nifamporisika tokoa ireo Mompera ireo ary rahefa tonga ny fotoana dia samy nahafoy ny ainy nohon’ny finoana.
Tsy ny fampianarina fotsiny no rarahan’ireo Mompera ireo. Maro ny asa fitiavanamana sy fanompoana samihafa nataony tao an-tanana: mamangy marary, mamonjy sy mikarakara mahantra, sns. Tsara be sady mahafinaritra koa ny fety tao am-piangonana. Maro ny vavolombelona nanao fanambarana tamin’ny “procès de béatification” mahatsiaro fa samy manga feo avy izy ireo, ka mahay mihira tokoa, ary i Mompera Antonio, hono, tena kinga be raha mitendry orgue. Monfrera Esteban dia mpahandron’ny kaominaote, ary matetika mahandro sakafo betsaka ary ny tsy lany dia nomeny ny mahantra manatona any aminy isan’andro.
Zavatra maro tokoa ny azo ilazana momba an’ireo martiry, ny fiainany sy ny soa vitany, ary koa momba ny nisamborona azy – Mompera Antonio, ohatra, voatana tao am-panaovana lamesa – sy namonoana azy rahefa voatana andro vitsivitsy tany an-tranomaizina.
Fa amin’izao kosa dia aoka mba hiara-kidera sy hisaotra an’Andriamanitra nohon’ireto rahalahintsika nanolotra ny ainy ho vavolombelonon’ny finoana sy ny fahamarinana.