la participation active de tous les capitulaires.
Lors de la première session de l’après midi nous avons traité la première question, touchant le gouvernement et la représentativité, un thème difficile car notre Ordre est présent en de nombreuses réalités culturelles où il y a une multitude d’incarnation du charisme, malgré une richesse évidente.
Plus tard, les capitulaires se sont retrouvés á Aluche (communauté de la Province du Saint Esprit), où ils ont célébré la messe de la vigile de la solennité de la Très Sainte Trinité au cours de laquelle les nouveaux conseillers généraux et le secrétaire général ont fait leur profession de foi et ont prêté le serment de fidélité. Un temps de fraternité a réuni ensuite les membres de la Famille trinitaire autour d’une table abondante et d’un show de folklore madrilène.
Le dimanche 26, solennité de la Très Sainte Trinité, le Chapitre s’est rendu dans la belle ville de Salamanque afin d’y célébrer l’eucharistie auprès des restes de notre père saint Jean de Matha. Pleine d’émotions, la communauté paroissiale s’y est impliquée jusqu’à préparer les lectures et les cantiques dans différentes langues. La paroisse a offert un riche apéritif où ne pouvait manquer ni la tortilla, ni la classique empanada salmantina ni le jambon, accompagnés d’un généreux vin Ribera del Duero. Après le déjeuner, un tour de la ville a été organisé tout particulièrement auprès des lieux les plus significatifs de l’histoire des trinitaires.
Nous rendons grâce a Dieu pour ces jours de convivialité qu’il nous a concédé et nous lui demandons que cet esprit de fraternité nous accompagne durant tout le sexennat.
Sombim-baovao avy amin’ny Chapitre Général Trinitaire Madrid (Espagne)
Ankalazaina ny 27 May ka hatramin’ny 03 Jiona 2013
Ry rahalahy sy anabavy malala, ampitaina aminareo amin’ny teny vitsivitsy indray ny fizotran’ny Chapitre Généraln’ny Fikambanan’ny Trinité Masina. Ny sabotsy 25 dia andro feno tanteraka tamin’ny asa; ny maraina dia namaky ny Instrumentum laborisizahay, natomboka tamin’ny fomba nahaterahan’izany fitaovana izany (izay nitarika antsika nandritra ny enin-taona, hatramin’ny Chapitre Général nankalazaina tany Moramanga tamin’ny 2007), avy eo dia nanao ny fifidianana ny fomba fiasa tsaratsara kokoa hiatrehana ny asa sy ny adihevitra ny mpandray anjara, nafanafana tokoa ny adihevitra mazava ho azy, fa niafara tamin’ny fanapahan-kevitra ihany moa izany dia ny hanohizana ny asa ato amin’ny efitrano fivoriana ihany fa tsy hizarazara vaomiera (gropy), satria moa ny zavatra ho dinihina rahateo dia mahakasika indrindra ny “interculturalité”. Antenaina fa hanome vahana ny fandraisana anjara mavitriky ny maro sy ny mpamonjy chapitre tsirairay izany fomba fiasa nosafidina izany.
Ny atrik’asa voalohany tamin’ny tolak’andro dia natokana hoan’ny fanontaniana voalohany ao amin’ny “document” izay miresaka momba ny fisian’ny solon-tena isam-paritra ao amin’ny governemanta, lohahevitra tsy dia mora moa izany satria iaraha-mahita fa ny Fikambanantsika amin’izao fotoana izao dia voarafitra kolon-tsaina maro sy fomba fahazahoana ny Karisma maro samy hafa, mampiseho harena mazava ho azy moa izany.
Rehefa somary harivariva ny andro dia nitodidoha nankany amin’ny ankohonampianana tao Aluche (Provesan’ny Espagne atsimo) izahay ka tany no nankalaza ny vavaka harivan’ny Trinité Masina sy ny Sorona Masina (nandritra izany fankalazana izany moa dia nanao ny fianianana (serment de fidélité) sy ny fiekem-pinoana ireo mpalotsaina jeneraly sy ny mpitantsoratra vaovao) ho tohin’izany moa dia nisy sakafo tsara omana naroson’ny mpampiantrano nanamarihana ny firahalahiana, nisy ihany koa fampisehoana dihy mampiavaka manokana an’i Madrid.
Ny alahady 26, Fetin’ny Trinité Masina, dia andro tsara ho tsarovana satria ny mpamonjy Chapitre rehetra dia nitodi-doha nankany Salamanca tanàna tsara sy malaza, hankalaza ny Sorona Masina teo anatrehan’ny Sisan-taolan’i Md Jean De Matha Mpanorina ny Fikambanana. Nampihetsim-po tokoa ny fankalazana ary na ny ankohonam-piangoana (communauté paroissiale) aza dia hita fa tena niditra tanteraka tamin’izany fankalazana izany, nandray anjara mavitrika ary na ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra aza dia nataon’izy ireo tamin’ny tenim-pirenena maro. Avy eo ny paroasy dia nanolotra tsakitsaky kely sy fanalana hetaheta ka mazava ho azy moa fa tsy latsaka tamin’izany ny “tortilla ovy” sy ireo karazan-tsakafo mampiavaka ny Espagnol (“jambon, divay …). Taorian’ny sakafo atoandro moa dia nisy ny fitsangatsanganana nitsidihana ireo toerana izay misy lanjany bebe kokoa hoan’ny Trinitera tao antanàna talohan’ny hiverenana ato amin’ny trano itobiana.
Isaorantsika Andriamanitra noho ny nanomezany ireto andro iaraha-miaina ireto ary angatahintsika ny fahasoavany mba ho izany fahatsapana izany no ho toe-tsaina hanentana antsika mandritra ny enin-taona manaraka.